Mofonaina 18 Febroary 2021
Hebreo 6. 13-20
JESOA KRISTY, MPISORONABE
Fa Andriamanitra nanao teny fikasana tamin’i Abrahama, ary satria tsy nisy lehibe noho ny tenany izay azony nianianana, dia nianiana tamin’ny tenany Izy 14 ka nanao hoe: “Hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro anao” (Gen. 22.17). 15 Araka izany, rehefa naharitra tsara Abrahama, dia nahazo ny teny fikasana. 16 Fa ny olona dia mianiana amin’izay lehibe noho ny tenany; ary ny fianianana dia ataony mba hahamafy ny teny hampitsahatra ny fifandirana rehetra. 17 Ary amin’izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin’ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan’ny sitrapony, dia nataony mafy tamin’ny fianianana izany, 18 mba ho zavatra roa loha tsy mety miova, izay tsy hain’Andriamanitra andaingana, no hahazoantsika famporisihana mafy, dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika, 19 izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin’ny efitra lamba; 20 tany no nidiran’i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe “mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka” Izy.
Ny Mpisorona teo amin’ny Isiraely no solotenan’Andriamanitra miteny teo amin’ny vahoaka, ary solotenan’ny olona miteny amin’Andriamanitra. Ny mpisoronabe dia manana zo hiditra ao amin’ny hefitra masina indrindra ao amin’ny tempoly in-dray isan-taona mifona amin’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra teo amin’ny fiangonana. Ny mpisorona koa amin’ny maha-mpisorona azy no manonona ny famelan-keloka ho an’ny vahoakan’Andriamanitra rehefa avy nanatanteraka ny asa fisoronana izy. Mpanelanelana ny vahoakan’Andriamanitra tamin’Andriamanitra arak’izany ny mpisorona, ary tena solontenan’Andriamanitra teo amin’ny fiangonan’Andriamanitra. Araka ny bokin’ny Hebreo dia Jesoa no mpisoronabe lehibe, Izy no tena
1. Mpanelanelana antsika amin’Andriamanitra
Amin’ny maha-mpisorona an’i Jesoa dia Izy no manelanelana ny olona rehetra amin’Andriamanitra. Amin’ny alalany dia afaka mifandray indray amin’Andriamanitra ny olona. Ary noho ny Aminy dia afaka miteny amin’ny fiangonana indray Andriamanitra. Ny asa fisoronana nataony no tena nahavita namitram-pihavanana tamin’Andriamanitra. Afaka nahazo famelan-keloka ny olona rehetra mino Azy, ary tonga afaka miresaka sy mifanerasera amin’Andriamanitra izy ireo. Tombony lehibe ho antsika Kristianina ny maha-mpisoronabe an’i Jesoa, tombony lehibe ho antsika Kristianina ny maha-mpanalalana an’i Jesoa. Vita fihavanana amin’Andriamanitra indray mantsy isika noho ny Aminy.
2. Mpialoha lalana antsika (and 19,20)
« Izay ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika ary miditra any anatin’ny efitra lamba; 20 tany no nidiran’i Jesosy ho Mpialoha antsika »
Ambaran’ny mpanoratra fa mpialoha lalana Jesoa. Amin’ny maha-mpialoha lalana Azy dia Izy no mitarika izany. Koa izay alehany no alehan’izay tarihiny. Amin’izay alehany no handehanan’ny fiangonany. Ny efitra lamba ambara eto dia tsy inona akory fa ny efitra masina indrindra. Ny efitra masina indrindra dia izay natokan’ny fiangonana ho an’Andriamanitra, ao no noheverin’izy ireo fa misy an’Andriamanitra tao amin’ny tempoly. Notarihin’i Jesoa ho ao ny mino. Izany hoe notarihan’i Jesoa hihaona sy hifandray indray amin’Andriamanitra. Jesoa raha nialoha lalana antsika dia nialoha lalana antsika amin’izay hahafahantsika mifandray indray amin’Andriamanitra. Izany rahateo no mbola hitarihan’i Jesoa antsika. Tarihin’i Jesoa, na ialohavan’i Jesoa lalana ho any amin’ny fiainana mandrakizay izay hihaonana amin’Andriamanitra isika. Sambatra isika, manana an’i Jesoa mitarika antsika, mialoha lalana antsika any amin’ny fiainana mandrakizay. Izany rahateo no nahatonga an’i Jesoa niteny hoe : « Ary raha handeha hamboatra fitoerana hoa anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. 4 Ary fantatrareo koa ny làlana ho any amin’izay halehako » Jaona 14. 3,4
Source: Barinarivo Rajosoa Mpitandrina
Ampiditra Hafatra