Mofon’aina 15 Jolay 2021
2 Petera 3. 11-18
KRISTIANINA MANANA FITONDRANTENA MASINA SY TOE-PANAHY ARAKA AN’ANDRIAMANITRA
Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa hianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, 12 sady manantena no mampahafaingana ny hihavian’ny andron’Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra! 13 Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana. 14 Koa amin’izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany hianareo, dia mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana. 15 Ary ny fahari-pon’ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr’i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy, 16 tahaka ny ataony ao amin’ny epistily rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin’ireo dia misy zavatra saro-pantarina, izay aolan’ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin’ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an’ny tenany. 17 Koa satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy hianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo; 18 fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.
Petera dia iray amin’ireo Apostoly nanao ho zava-dehibe ny fampianarana mahakasika ny fitondrantena Kristianina. Raha ny marina ny filazantsara izay raisin’ny kristianina dia tokony hiteraka fitondrantena masina sy toe-panahy araka an’Andriamanitra. Miandry ny fiavian’i Jesoa Kristy rahateo ny Kristianina, koa eo am-piandrasana Azy dia tokony tsy hanan-tsiny amin’ny fiaviany. Ny Kristianina manana fitondrantena masina sy toe-panahy araka an’Andriamanitra miandry ny fiavian’i Jesoa arak’izany dia
1. Mitandrina (and 17)
« Ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy hianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo »
Mahagaga fa mahataona sy mahatarika mandrakariva ny ratsy fanahy. Mora amin’ny ratsy fanahy ny mitarika izay tsy mahajoro tsara amin’ny fanao ratsy tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ary amin’ny maha-mpanota antsika dia mora mirona, na mora mikisaka mankany amin’ny fanaovana ratsy, fanaovana izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra isika. Ny fitondrantena masina sy toe-panahy araka an’Andriamanitra dia hanampy be dia be antsika, isika Kristianina hiandry ny fiavian’i Jesoa am-pahamendrehana tsara. Mila mitandrina tsara amin’izay mety ho fitaomana sy fisarihana antsika isika, mila mitandrina tsara amin’izay zavatra rehetra tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra hitaoman’ny olona antsika. Mila mijoro tsara amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra antsika isika. Tsy vitantsika amin’ny hery maha-olombelona ihany anefa izany, tena ilaintsika ny herin’Andriamanitra, tena ilaintsika ny asan’ny Fanahy Masina.
2. Mitombo (and 18)
« Fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy »
Ny mitombo amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa dia zavatra mifamatotra sy mifameno. Izay mitombo amin’ny fahalalana an’i Jesoa mantsy dia hanana fitondrantena masina sy toe-panahy araka an’Andriamanitra. Koa izay manana fitondrantena masina sy toe-panahy araka an’Andriamanitra noho ny modely tsara nomen’i Jesoa azy dia hitombo amin’ny fahasoavana. Aoka ataon’ny kristianina ho zava-dehibe sy ho laharam-pahamehana arak’izany ny mitombo amin’ny fahalalana an’i Kristy, fa hanampy azy amin’izay etika eo amin’ny fiarahamonina izany.
Tombony lehibe ho an’ny fiangonana ny nanomezan’Andriamanitra an’i Jesoa mba hampianatra azy ny fomba fiainana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra mandrapiveriny eto amin’izao tontolo izao indray. Banjino mandrakariva Jesoa fa hihazona antsika hanana fitondrantena masina sy toe-panahy araka an’Andriamanitra izany. Ary rehefa mitombo amin’izany isika dia hitombo amin’ny fisitrahana ny fitahiana sy ny fahasoavana rehetra avy amin’Andriamanitra.