Mofonaina 14 Febroary 2021
Joana 6. 60-71
NY FILAZAN’I JESOA NY TENANY
Koa maro tamin’ny mpianany, nony nandre, dia nanao hoe: Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany? 61. Ary fantatr’i Jesoa tao am-pony fa nimonomonona tamin’izany ny mpianany, ka dia hoy Izy taminy: Mahatafintohina anareo va izay? 62. Mainka raha mahita ny Zanak’olona miakatra ho any amin’izay nitoerany taloha ianareo. 63. Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana. 64. Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino. Fa fantatr’i Jesoa hatramin’ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy. 65. Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ny Ray azy izany. 66. Hatramin’izany* dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony. [* Na: Noho izany] 67. Dia hoy Jesoa tamin’ny roa ambin’ny folo lahy: Ianareo koa va mba te-hiala? 68. Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo o, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. 69. Ary izahay mino ka mahalala fa Ianao no Ilay Masin’Andriamanitra. 70. Jesoa namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin’ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly? 71. Fa Izy nilaza an’i Jodasy, zanak’i Simona Iskariota; fa izy no ilay efa hamadika Azy, nefa isan’ny roa ambin’ny folo lahy.
Jaona eto amin’ity toko fahaenina ity dia nampianatra fa izy no mofon’Andriamanitra sy ranovelona. Izay mihinana ny tenany sy misotro ny ràny, hoy Jesoa dia ho velona mandrakizay. Tsy takatr’izay nihaino Azy Jesoa, nisy jiosy niteny mihitsy aza hoe sarotra ny mihaino an’i Jesoa. Tonga tafasara-dalana tamin’i Jesoa ireo tsy nahatakatra ny fampianarany. Nanontanian’i Jesoa ny Apostoly raha anisan’ireo izay handao Azy koa. Nisolo tena ny Apostoly Petera niteny hoe tsy manan-kaleha izy ireo satria ao amin’i Jesoa irery no misy ny teny afaka miantoka ny fiainana mandrakizay. Ireto no fahamarinana azo avy amin’izao mofonaina izao
1. Izay avy amin’Andriamanitra no mahay manatona an’i Jesoa (and 65)
«Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ny Ray azy izany»
Jesoa dia niteny hoe Izy no fahazavan’izao tontolo izao. Koa ny manatona an’i Jesoa dia manatona ny mazava, miala amin’ny maizina. Miala amin’ny fahotana ka manatona ny fiainana. Andriamanitra no manome antsika ny fomba sy ny hery hanatonana an’i Jesoa hialana amin’ny gejan’ny ratsy ho amin’izay tsara.
Mangataha amin’Andriamanitra mba omeny ho ahy sy ho anao koa ny hahay hanatona an’i Jesoa mba ho lavitry ny haizina sy ny herin’ny fahotana isika.
2. Jesoa no mampiditra amin’ny fiainana mandrakizay (and 68)
«Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo o, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay»
Ny tenin’i Jesoa, ny tenin’Andriamanitra no anisan’izay mitondra ho amin’ny finoana an’i Jesoa. Izay mino an’i Jesoa no ho afaka mandova ny fiainana mandrakizay. Na dia marina aza ny tenin’i Jesoa, na dia marina aza ny fampianaran’i Jesoa. Tsy noraisin’i jiosy izany, hany ka tsy tonga tamin’ny finoana izy ireo. Ary lojika raha toa ka nisaraka tamin’i Jesoa izy ireo. Rehefa tafasaraka amin’i Jesoa anefa dia tsy azo antoka ny fiainana mandrakizay. Jesoa ihany mantsy no afaka manome izany.
Raiso Jesoa, ekeo ny teniny fa izany ihany no fomba tokana hidirana amin’ny fiainana mandrakizay nomen’Andriamanitra antsika.
Source: Barinarivo Rajosoa Mpitandrina
Ampiditra Hafatra