Mofonaina 12 Desambra 2020 Ny teo aloha Mofonaina 14 Desambra 2020 Ny tao aoriana Mofon'aina 11 Decembre 2020

Mofonaina 12 Desambra 2020

Jaona 11 : 21 – 27

IREO ANTONY HANEKENA AN’I JESOA HO MESIA

Ary hoy Marta tamin’i Jesoa: Tompoko, raha teto Ianao, dia tsy maty ny anadahiko. Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin’Andriamanitra dia homen’Andriamanitra Anao. Hoy Jesoa taminy: Hitsangana ny anadahinao. Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany; Hoy Jesoa taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra, Ilay ho tonga amin’izao tontolo izao.
Ny filazantsara dia maneho mazava fa Jesoa no Mesia. Ireo iraka tanterahiny, ny asany dia samy maneho fa Izy no Mesia. Nifantoka tamin’ny fanaporofoana fa Jesoa no Mesia ny filazantsara. Maty Lazarosy vao tonga tao amin’ny tanàna nonenany Jesoa. Nanome tsiny an’i Jesoa Marta izay nilaza fa raha teo Jesoa dia tsy maty ny anadahiny. Aoka hino Marta hoy Jesoa fa hitsangana ny anadahiny. Rehefa nino Marta dia natsangan’i Jesoa Lazarosy. Ato amin’ny filazantsara nosoratan’i Jaona dia manambara ny tenany Jesoa, iray amin’izany ny hoe “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana”. Ireo fanambaran’i Jesoa ny tenany dia samy maneho ny maha-Mesia ny tenany. Antony telo no hanekena an’i Jesoa ho Mesia

1. Amin’izay misy an’i Jesoa dia tsy misy fahafatesana (and 21)

“Ary hoy Marta tamin’i Jesoa: Tompoko, raha teto Ianao, dia tsy maty ny anadahiko”
Mety tsy fantatr’i Marta akory ny zavatra ambarany, mety ho fantany koa anefa. Ny zavatra ambarany anefa tena marina. Tsy manana anjara toerana eo amin’izay misy an’i Jesoa ny fahafatesana. Andriamanitry ny fiainana Jesoa, Andriamanitra manome fiainana Izy. Andriamanitra mandresy ny fahafatesana Izy. Koa amin’izay misy Azy dia tsy mahazo vahana eo ny fahafatesana. Amin’izay hanjakan’i Jesoa no misy fiainana. Izy rahateo no manome fiainana mandrakizay. Mandresy ny fahafatesana isika amin’ny sehatra rehetra amelantsika an’i Jesoa hanjaka.

2. Jesoa dia mahazo izay hangatahiny amin’Andriamanitra (and 22)

“Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin’Andriamanitra dia homen’Andriamanitra Anao”
Sitrak’Andriamanitra Jesoa ka henoiny. Ary na inona na inona hangatahiny amin’Andriamanitra dia omen’Andriamanitra. Tsara fifandraisana amin’Andriamanitra Jesoa ka rehefa mangataka dia mahazo. Tsapan’i Marta izany. Sady Jesoa rahateo raha mangataka dia izay mahasoa no hangatahiny amin’Andriamanitra. Izay mahasoa ny mpiara-belona Aminy. Jesoa raha mangataka dia mikendry mandrakariva ny hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, lojika raha mahazo Izy. Porofo izao fa Jesoa no mpanelanelana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa no hifandraisantsika amin’Andriamanitra.

3. Jesoa no manangana amin’ny maty (and 23-27)

“Hoy Jesoa Izaho no fananganana ny maty sy fiainana koa izay rehetra mino Ahy dia hovelona indray”
Jesoa irery teo amin’ny jiosy no afaka nanangana tamin’ny maty. Andriamanitra mantsy Izy. Ao amin’Andriamanitra rahateo tsy misy fahafatesana. Noho izany dia afaka manaisotra avy amin’ny faafatesana ho amin’ny fiainana Izy. Afaka mamindra avy amin’ny haizina ho amin’ny fahazavana lehibe Izy. Fahefana maha-Mesia ny manangana amin’ny maty. Efa nandresy ny fahafetasana Izy ka afaka mampandresy amin’ny fahafatesana koa. Ny Herin’Andriamanitra ao amin’i Jesoa no manampy antsika handresy ny fahafatesana.
Source: Barinarivo Rajosoa Mpitandrina