Mofon’aina 11 Jona 2021 Ny teo aloha Mofon'aina 12 Jona 2021 Ny tao aoriana Mofon'aina 10 Jona 2021

Mofon’aina 11 Jona 2021

Galatiana 2. 11-21

NY TENA KRISTIANINA

Ary nony tonga tany Antiokia Kefasy, dia nanohitra azy nifanatrika aho, satria hita fa nanan-tsiny izy. 12 Fa fony tsy mbola tonga ny sasany avy tany amin’i Jakoba, dia niara-nihinana tamin’ny jentilisa ihany izy; fa nony tonga ireo, dia nihatakataka izy ka niala, satria natahotra ny momba ny famorana izy. 13 Ary ny Jiosy sasany koa niara-nihatsaravelatsihy taminy, ka Barnabasy avy aza mba voataon’ny fihatsarambelatsihiny koa. 14 Fa rehefa hitako fa tsy nandeha mihitsy araka ny fahamarin’ny filazantsara ireo, dia hoy izaho tamin’i Kefasy teo anatrehan’ny olona rehetra: Raha hianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon’ny jentilisa, nahoana ny jentilisa no terenao hanaotahaka ny fanaon’ny Jiosy? 15 Taranaky ny Jiosy isika, fa tsy mba mpanota avy amin’ny jentilisa, 16 nefa nony fantatsika fa tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona, fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, dia nino an’i Kristy Jesosy koa isika mba hohamarinina amin’ny finoana an’i Kristy, fa tsy amin’ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna. 17 Fa raha mitady hohamarinina ao amin’i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany! 18 Fa raha ny zavatra efa noravako no atsangako indray, dia mampiseho ny tenako fa diso aho. 19 Fa raha izaho, dia tamin’ny lalàna no nahafatesako ny amin’ny lalàna, mba ho velona ho an’Andriamanitra aho. 20 Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. 21 Tsy mahafoana ny fahasoavan’Andriamanitra aho; fa raha avy amin’ny lalàna ny fahamarinana dia maty foana Kristy.
Noteren’ny Jiosy hoforana ny Jentilisa rehefa nanaiky ho tonga Kristianina izy ireo. Ny anton’izany dia ny hahatonga azy ireo hitovy saranga amin’ny Jiosy voafora. Nihatsaravelatsihy Petera, ka rehefa niaraka tamin’ny jentilisa izy dia niara-nihinana taminy, rehefa nisy Jiosy naha-mena maso azy dia nihatahataka izy. Nanarin’i Paoly noho ny amin’izany izy. Ny tena Kristianina dia

1. Mananatra izay tsy mijoro tsara (and 14)

« Fa rehefa hitako fa tsy nandeha mihitsy araka ny fahamarin’ny filazantsara ireo, dia hoy izaho tamin’i Kefasy teo anatrehan’ny olona rehetra: Raha hianao izay tena Jiosy aza no manao tahaka ny fanaon’ny jentilisa, nahoana ny jentilisa no terenao hanaotahaka ny fanaon’ny Jiosy? »
Tsy mendrika ny maha-kristianina araka ny fampianaran’i Paoly ny fihatsarambelatsihy. Sady te ho tsara amin’ny jentilisa no te ho tsara amin’ny Jiosy Petera. Ity fitadiavana sitraka tamin’ny jentilisa sy ny jiosy ity no nahatonga an’i Petera nihatsaravelatsihy. Toetra tsy tokony hisy eo amin’ny kristianina izany. Izany rahateo no nananaran’i Paoly azy. Adidin’ny mino ny mifananatra, indrindra amin’izay hita fa tsy mijoro tsara amin’ny maha-Kristianina. Ny tena Kristianina dia tsy mena maso olona rehefa mananatra azy amin’ny tsy mety ataony.
Ity mila sitraka amin’ny olona ity koa no tena tsy maintsy ialàn’ny Kristianina, manimba azy izany. Tsy voatery hahazo sitraka amin’ny olona rehetra tokoa mantsy ny Kristianina. Aleo sitraka amin’Andriamanitra no tena hokatsahina fatratra fa izany no tsara indrindra. Tonga manana toetra mifanohitra amin’ny maha-Kristianina izay mitady sitraka aman’olona.

2. Manana an’i Kristy ao aminy (and 20)

« Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy »
Ny hoe Kristy velona ao amin’ny mino dia Kristy ao amin’ny mino aloha. Satria ao amin’ny mino Kristy dia mamelona ny mino. Kristy mantsy rehefa ao amin’ny mino dia mamono izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, ary manome fahavelomam-baovao. Rehefa manana an’i Kristy koa ny mino dia tonga manana antom-pisiana vaovao. Tonga mahalala ny programan’Andriamanitra ho amin’ny famonjena izao tontolo izao. Ny tena Kristianina dia velomin’i Kristy indray ka manana antom-pisiana mifanaraka amin’izay nikasan’i Kristy azy.
Jesoa koa araka izay nampianarina antsika no fitiavan’Andriamanitra. Izay itoeran’i Kristy arak’izany dia itoeran’ny fitiavan’Andriamanitra. Ataovy izay hahatonga an’i Kristy ho ao am-pontsika dia sady hanana fitiavana an’Andriamanitra isika no hanana fitiavana ny olona rehetra.