Mofon’aina 10 Desambra 2020
Genesisy 49. 8-10
JESOA AVY AMIN’NY JODA
Ry JODA, hoderain’ny rahalahinao hianao, ny tànanao ho ao amin’ny vozon’ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao. 9 Zana-diona, Joda, avy niremby hianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy! 10 Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ny tongony, mandra-pahatongan’i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.
Filazana ny amin’ny taranak’Isiraely 12 izao mofonaina izao. Izy 12 mantsy dia samy nanana izay tsodrano azony avy amin’ny rainy. Niavaka tamin’ny azy 12 ny an’i Joda. Niavaka satria tsy tokony hohadinoina fa
1. Jesoa dia taranaky ny teny fikasana nomena ny Joda (and 8)
« Ry JODA, hoderain’ny rahalahinao hianao, ny tànanao ho ao amin’ny vozon’ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao »
Avy amin’ny fokon’i Joda no nipoiran’i Jesoa izay Mesia. Taranak’i Joda ny Mesia. Tombony manokana ho an’i Joda izany raha mihoatra ireo rahalahiny. Tombom-pahasoavana sy tombom-pitahiana avy amin’Andriamanitra. Ary noho ny amin’i tombony manokana nananan’i Joda io no mahatonga azy hoderain’ny rahalahiny. Ny hevitry ny teny hoe Joda rahateo dia « deraina ». Jesoa dia taranak’izay miavaka teo amin’ny taranak’Isiraely. Tsy mahagaga raha toa ka niavaka koa Izy teto amin’izao tontolo izao. Tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy ny teny fikasan’Andriamanitra ho an’i Joda. Izany no mahatonga an’i Jesoa ho fitahiana ho an’ny Jiosy. Tsy fitahiana ho an’ny Jiosy ihany anefa fa ho an’ny olona rehetra eto amin’izao tontolo izao.
2. Jesoa dia taranaky ny mpanjakan’ny Joda (and 10)
« Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ny tongony, mandra-pahatongan’i Silo, ka hanoa Azy ny firenena »
Ny ho mpanjakan’ny taranak’Isiraely dia avy amin’ny fokon’ny Joda. Izany no antony nahatonga an’i Davida neken’ny isiraely rehetra rehefa tonga mpanjaka. Tsy mba toa izany anefa i Saoly izay Benjamita. Foko vitsy tamin’ny Isiraelita no nanaiky azy ho mpanjaka. Ny hoe Jesoa mpanjaka avy amin’ny foko ny Joda dia ho enti-milaza fa mpanjakan’ny Isiraely rehetra Jesoa fa tsy am-pahany amin’ny Isiraelita ihany. Raha namaky ny tetiharan’i Jesoa isika dia saika razamben’i Jesoa avokoa ireo mpanjaka malaza tao Joda. Ireo mpanjaka izay nalaza tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Na dia nisy ihany aza ireo mpanjaka nanamaloka ny fiainan’ny fanjakana AtsimoRaha ny marina rehefa, mamaky Testamenta Vaovao isika dia mpanjakan’izao rehetra izao mihitsy Jesoa fa tsy teo amin’ny Jiosy ihany. Izany no mahatonga antsika Protestanta mihira hoe « Jesoa Mpanjaka malaza, no Tompo Mpanjakanay » FFPM 171. Source: Barinarivo Rajosoa Mpitandrina