Mofon’aina 10 Aogositra 2021
Salamo 31. 1-8
ILAY ANDRIAMANITRA MANIRAKA ANTSIKA HIASA TSARA
Jehovah ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin’ny fahamarinanao aho. 2 Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy. 3 Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy. 4 Hanafaka ahy amin’ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana mafy ho ahy. 5 Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana. 6 Halako izay mivavaka amin’ny sampy*; fa Jehovah kosa no itokiako 7 Hifaly sy ho ravoravo amin’ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian’ny fanahiko, 8 ary tsy mba nangeja ahy teo an-tànan’ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin’ny malalaka Hianao.
Anisan’ny zava-dehibe tamin’i Davida raha nanoratra Salamo izy dia ny hampahafantatra an’Andriamanitra izay nivavahany. Ny Salamo amin’ny ankapobeny dia tena fampahafantarana an’Andriamanitra sy ny maha-izy azy an’Andriamanitra. Eto amin’izao mofonaina izao, Andriamanitra izay maniraka antsika hiasa tsara dia
1. Tsy mandiso fanantenana (and 1)
DIEM «Tompo ô, Ianao no fialofako, tsy ho diso fanantenana na oviana na oviana aho »
Tsy mandiso fanantenana ny olona mifikitra sy mialoka Aminy Andriamanitra. Tsy mandiso fanantenana Izy satria tsy hazo boboka raha iankinana, tsy mba mivadika amin’izay nolazainy sy noteneniny. Tsy mandiso fanantenana satria manana hery sy fahefana mahay manatanteraka izay rehetra nolazainy sy nampanantenainy.
Tsy mbola nahare tokoa isika, na iza na iza, na tamin’ny fotoana manao ahoana, na taiza na taiza ka nilaza ho diso fanantenana tamin’Andriamanitra. Tsy olombelona tokoa Izy ka handainga na hanao kobaka am-bava. Matokia an’Andriamanitra izay tsy mba mandiso fanantenana arak’izany.
2. Mihaino vavaka ka miaro (and 3)
DIEM « mba anongilano sofina aho ka vonjeo faingana ; aoka Ianao ho Vatolampy fiereko ary ho manda hahitako famonjena »
Nisy fotoana Davida teo amin’ny fiainany dia voatery nitsoaka nandositra an’i Saoly noho ny fankahalan’i Saoly azy. Niafina tany an-dava-bato izy, ary dia tsaroana fa mihoatra lavitra noho ny lavabato Andriamanitra raha miafina ao Aminy izy. Tena mahatsiaro Davida fa raha tsy noho ny fiarovan’Andriamanitra azy dia mora tamin’ny fahavalony ny nandringana azy.
Iray amin’izay tsy hanadisoan’Andriamanitra fanantenana antsika ny fiarovany. Tsy mbola nisy tokoa narovan’Andriamanitra ka tra-pahavalo. Tena maaro Andriamanitra, tena maaro Izy ho an’izay rehetra tafa-aro ao Aminy. Tena aoka hatoky an’Andriamanitra isika, Izy irery no afaka miaro antsika tsy ho tra-doza sy ho tra-pahavalo na ho resin’ny fakam-panahy samihafa.
3. Mampiravoravo (and
DIEM « te hifaly sy hiravo aho noho ny fitiavanao, satria hitanao ny fahantrako sady fantatrao ny fahoriako »
Tsy misy miafina amin’Andriamanitra ny zava-manjo ny mpanompony. Andriamanitra mahita izay mahazo ny olona rehetra tokoa ny Tompo, indrindra moa fa ny mpanompony toa an’i Davida. Noho ny fahatsapan’i Davida fa tsy mba miady irery izy no mahatonga azy te hifaly sy hiravo amin’Andriamanitra.
Rehefa teto amin’izao tontolo izao tokoa Jesoa dia niezaka ny hoe eo anilan’ny olona rehetra, nijery sy nahatsapa izay nahazo ny olona rehetra. Noho ny fahatsapany izany fahantran’ny olona sy ny fahoriany izany no nanolorany tena teo amin’ny hazo fijaliana hamonjy izao tontolo izao. Mahafaly sy maharavo ny mahita sy mahatakatra izany rehefa mijery an’i Jesoa isika.