Mofonaina 05 Janoary 2021
Apokalypsy 19. 1-4
IZAY MAHA-IZY AZY AN’ANDRIAMANITRA
Rehefa afaka izany, dia nahare hoatra ny feon’ny vahoaka betsaka tany an-danitra aho nanao hoe: Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an’Andriamanitsika; 2 Fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony; fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy – dia ilay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany – ary namaly azy noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany. 3 Dia niteny fanindroany ireo hoe: Haleloia! Ary ny setroky ny tanàna dia miakatra mandrakizay mandrakizay. 4 Ary ny loholona efatra amby roa-polo sy ny zava-manan-aina efatra dia niankohoka nivavaka tamin’Andriamanitra, Izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, ka nanao hoe: Amena; Haleloia!
Ny bokin’ny Apokalypsy dia fitantarana ny maha-Izy azy an’i Jesoa. Jesoa Kristy be voninahitra, efa manjaka ao an-danitra no asehon’i Jaona amin’ny fitantarany. Tsy maintsy naseho an’i Jaona izany faha-izy-an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy izany mba ho fampaherezana azy sy ireo Kristianina izay niharan’ny fanenjehana sy ny zava-tsarotra tamin’ny fijoroany ho vavolombelona. Arak’izany Jesoa Kristy dia
1. Mitsara ny olona araka ny asany (and 2)
« Fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony; fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy – dia ilay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany – ary namaly azy noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany »
2. Mendrika omem-boninahitra (and 3,4)
« Ary ny loholona efatra amby roa-polo sy ny zava-manan-aina efatra dia niankohoka nivavaka tamin’Andriamanitra, Izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, ka nanao hoe: Amena; Haleloia! »