Mofon’aina 04 Jona 2021
Salamo 81. 8-16
IREO TOMBONTSOA AMIN’NY FIHAINOANA AN’ANDRIAMANITRA
Mihainoa, ry oloko, dia hambarako aminao; enga anie hihaino Ahy ianao, ry Isiraely. 9 Aza asiana andriamani-kafa eo aminao; ary aza mivavaka amin’ny andriamanitry ny firenena hafa. 10 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Egypta; atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko. 11 Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko; ary ny Isiraely tsy nankato Ahy; 12 Ka dia navelako hanaraka ny ditry ny fony Izy, handehanany manaraka ny fisainan’ny tenany. 13 Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin’ny lalako ny Isiraely; 14 Vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho, ka hamerina ny tanako hamely ny rafiny; 15 Izay mankahala an’i Jehovah dia hikoy aminy, ka dia haharitra mandrakizay ny andron’ny oloko; 16 Ary hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin’ny vatolampy no hamokisako anao.
Sarotiny tamin’ny zanak’isiraely Andriamanitra ka nandidy azy hihaino Azy. Ny fihainoana an’Andriamanitra mantsy dia ahazoana tombontsoa lehibe. Raha mamaky ny Deot 28 isika dia ahita fa loharanom-pitahiana izany. Zava-dehibe arak’izany ny mihaino an’Andriamanitra satria
1. Ahazoana fahendrena (Sal 119. 98-100)
“Ny didinao mampahahendry ahy… Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, Satria ny teni-vavolombelonao no fisaintsainako… Hendry noho ny anti-panahy aho, Satria ny didinao no notandremako”
Fahendrena eo amin’ny fomba hitondrana ny fiainana eto amin’izao tontolo izao no tombontsoa voalohany azo avy amin’ny fahaiza-mihaino an’Andriamanitra sy ny teniny. Mampiavaka ny mino amin’ny olona eto amin’izao tontolo izao izany fahendrena azo avy amin’ny fihainoana an’Andriamanitra izany. Jesoa raha teto amin’izao tontolo izao dia tena niavaka tamin’ity fahendrena ity, noho Izy nanam-potoana nitokanana nivavaka sy nihainoana an’Andriamanitra.
Ataovy ho zava-dehibe ny mivavaka sy mihaino ny tenin’Andriamanitra, hanam-pahendrena tanteraka avy amin’izany ianao. Manokana fotoana handinihana Soratra Masina isan’andro fa manampy antsika hahay hitondra tsara ny fiainantsika izany ka hampiavaka antsika amin’ny olon’izao tontolo izao.
2. Ahazoana fitahiana sy fahasoavana (and 13,16)
“Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko… Ary hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin’ny vatolampy no hamokisako anao »
Loharanom-pitahiana tokoa ny fihainoana an’Andriamanitra. Hoy mantsy Mosesy hoe: “ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao” Deot 28. 2. Nampianarin’ny Jiosy ny taranany mihitsy izany fahaiza-mihaino an’Andriamanitra izany, ary tsy mba nafeniny ny taranany ireo tombontsoa aterak’izany. Resy lahatra ny amin’ny fahamarinan’izany ny Mpanao salamo eto raha miteny hoe: “mihainoa, ry oloko”. Rehefa mihaino mantsy dia hovelomin’Andriamanitra (hihinana vary tsara indrindra sy tantely). Fahasoavana ombam-pitahiana tokoa izany noho ny fahaiza-mihaino an’Andriamanitra. Zara fa mihinana ny olona ankehitriny, mihinana ambany foatra aza moa no filaza azy, ary raha mihinana dia sakafo tsy dia tsara loatra. Avy amin’izao tenin’Andriamanitra no ahitana fa ny fahavelomana dia avy amin’Andriamanitra, avy amin’ny fahaiza-mihaino Azy.
Ataovy ho zava-dehibe handraisam-pitahiana avy amin’ny Tompo ny fahaiza-mihaino Azy eto amin’izao tontolo izao. Adidy maha-Kristianina rahateo izany!