Mana voalahatra 31 Janoary 2021 Ny teo aloha Mana voalahatra 01... Ny tao aoriana Mana voalahatra 30 Janoary...

Mana voalahatra 31 Janoary 2021

MATIO 8.14-22 F.5,6
MAMPANDROSO SY MANARAKA AN’I KRISTY

Ny nahasitranan’ i Jesosy ny rafozambavin’ i Petera mbamin’ ny olona maro koa

14 Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon’ i Petera, dia nahita ny rafozam-bavin’ i Petera nandry teo nanavin’ ny tazo.15 Ary nanendry ny tànany Izy, dia niala taminy ny tazo; dia nitsangana ravehivavy ka nanompo Azy.

16 Ary nony hariva ny andro, dia nentin’ ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,17 mba, hahatanteraka izay nampilazaina an’ Isaia mpaminany hoe: ”Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika”.

Ny teny nataon’ i Jesosy tamin’ ny lehilahy roa izay nikasa hanaraka Azy

18 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka betsaka manodidina Azy, dia nanome teny hiala ho eny am-pita.19 Ary nanatona ny mpanora-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza no halehanao.20 Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak’ olona tsy mba manana izay hipetrahan’ ny lohany.21 Ary nisy hafa koa tamin’ ny mpianatra niteny taminy hoe: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.22 Fa hoy Jesosy taminy: Manaraha Ahy; ary aoka ny maty handevina ny maty ao aminy.

Mivoha ho an’ny Tompo ve ny tokantranoko?

Toy ny an’i Petera eto, ao an-tokantrano ao dia mety misy olana: aretina, tsy fahampiana, tsy filaminana. Ny famelana an’i Jesoa hiditra sy hitoetra ao an-tokantranontsika no ahazoany mamaha ireny olana ireny. Tsy nisy fangatahana avy tamin’ny tao an-trano akory teto, fa raha vao niditra Jesoa dia fantanty izay ilain’ireo ka nositraniny ny rafozan’i Petera. Inona no avaliko ny Tompo noho ny soa rehetra nataony tamiko?

Nanompo Azy ravehivavy

Marina fa Jesoa no Ilay Zanak’Andriamanitra. Efa 750 taona talohan’izao no azon’Isaia io teny io (17). Ny nanasitranan’i Jesoa ny olona narary REHETRA tonga teo no porofo fa marina tanteraka fa tsy am-pahany ny teny izay lazain’Andriamanitra. Ary porofon’ny maha-Andriamanitra Azy koa ny namoahany ny demonia tamin’ny TENINY ihany. Velona sy mahery, marina sy tanteraka ny Tenin’Andriamanitra rehetra ka tsy miova ao anatin’ny fotoana.
Misy vidiny ny fanarahana an’i Jesoa: Tsy ny hamaroan’ny olona no navelan’ny Tompo hamaritra ny fomba fiainany sy ny fandaharam-potoanany. Fantany mazava izay mety Aminy sy tokony hataony ary izay tsy maintsy ataon’ny olona te hanaraka Azy. Mampiseho miharihary ny mety hamafin’ny fanarahana Azy ny Tompo. Vonona ve aho hamela izay takin’ny Tompo hialako mba hahavitako manaraka Azy? Tsy manaiky hanamarina fangatahan’andro ho an’ny fanapahan-kevitra hanaraka Azy ny Tompo.
Hosaintsainina: Tsy misy zavatra tokony hatao ambony sy alohan’ny fanoloran-tena hanaraka ny Tompo, na harena, na voninahitra, na fianakaviana.

Source: Fikambanan’ny Mpiara-mamaky ny baiboly

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *