Mana voalahatra 26 Mey 2021 Ny teo aloha Mana voalahatra 27 Mey 2021 Ny tao aoriana Mana voalahatra 25 Mey 2021

Mana voalahatra 26 Mey 2021

1 TANTARA 18.1.17 F.4
LEHILAHY MADIO FO AMIN’NY…

Fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra (1-13). Rehefa avy nitsahatra i Davida, dia niverina niady ary naharesy ny fahavalony rehetra. Tsy nohazonin’i Davida ho azy ny laza fa nomeny an’Andriamanitra. Hitantsika tokoa fa ny volamena sy volafotsy rehetra azony babo dia «nohamasininy ho an’i Jehovah» (13). Tsy misy fisalasalana i Davida ny amin’ny fototry ny heriny sy ny fandreseny. Haingana izy manome voninahitra an’Andriamanitra, amin’ny hetsika ataony, izay fisehon’ny avy any am-po.

Fahendrena eo amin’ny fitondrana (14-17). Tsapan’i Davida fa ny fitomboan’ ny fanjakana dia mitaky fitondrana mivelatra. Ary dia notsinjarainy ny fahefana satria tsy izy no tompony fa nomena azy izany. Azo lazaina koa fa nianatra lesona tamin’izay nitranga tamin’ny andron’i Saoly mpanjaka izy. Tsy niahy ny malahelo sy ny mahantra i Saoly, ka nahatonga ireny niala taminy ka nanaraka an’i Davida (1 Samoela 22.2). Tsapan’i Davida fa ny mpitondra dia mila olona manampy azy. Raha mijery todika an’i Mosesy, mpitarika lehibe, isika dia mahita fa nanana fahasarotana izy nianatra izany. Soa fa nanana rafozana hendry izy (Eksodosy 18.17). Ny mpitondra tsara dia mahafantatra hoe rahoviana ary ahoana no hanomezana fahefana ny hafa hisolo tena.

Fampaherezana : I Davida dia nahafantatra fa voafidy ka ny zavatra rehetra nananany (hery, fahefana, fandresena) dia avy amin’Andriamanitra. « Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa…”(Jaona 15.16)

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *