Mana voalahatra 23 Janoary 2021 Ny teo aloha Mana voalahatra 25 Janoary... Ny tao aoriana Mana voalahatra 22 Janoary...

Mana voalahatra 23 Janoary 2021

DEOTERONOMIA 17.1-20 

AZA MIALA AMINY

1 Aza vonoina hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao izay misy kilema maharatsy azy, na omby na ondry na osy, fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ny manao izany.2 Raha misy hita ao aminao ao an-tanànanao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, na lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ka mivadika ny fanekeny3 ka lasa mandeha manompo andriamani-kafa ary mivavaka aminy na amin’ ny masoandro, na amin’ ny volana, na amin’ ny kintana, izay zavatra efa nandrarako azy,4 ka voalaza aminao izany, ary efa renao, dia diniho tsara, ka indro, raha nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo amin’ ny Isiraely izany fahavetavetana izany:5 dia avoahy ho eo am-bavahadinao izay lehilahy na vehivavy efa nanao izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty.6 Amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin’ ny vavolombelona iray monja dia tsy hahafaty azy.7 Ny tànan’ ny vavolombelona no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tànan’ ny vahoaka rehetra; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.8 Raha misy teny sarotra loatra amin’ ny fitsarana ka tsy efanao, na ny amin’ ny mahafaty aina, na ny ady na ny vonoana, izay iadiana ao an-tanànanao, dia miaingà hianao, ka miakara any amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao.9 ary mankanesa amin’ ireo Levita mpisorona sy amin’ ny anankiray izay mpitsara amin’ izany andro izany, ka manontania, dia hambarany aminao ny teny fitsarana.10 Ary araho ny teny izay hambarany aminao eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah, ka mitandrema hanao araka izay rehetra hatorony anao.11 Araka ny lalàna izay hatorony anao sy araka ny fitsarana izay holazainy aminao no hataonao; aza mivily miala amin’ ny teny izay hambarany aminao, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia.12 Fa ny olona izay miavonavona ka tsy mihaino ny mpisorona izay mitsangana hanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao, na ny mpitsara, dia aoka ho faty izany olona izany; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin’ ny Isiraely ny fanao ratsy.13 Ary ny vahoaka rehetra handre, dia hatahotra ka tsy hiavonavona intsony. 14 Rehefa tonga any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao hianao ka mandova azy sy monina eo ary manao hoe: Hanangana mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny firenena rehetra izay manodidina ahy,15 dia izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao ihany no hatsanganao ho mpanjakanao: anankiray amin’ ny rahalahinao no hatsanganao ho mpanjakanao, fa tsy mahazo mifidy olona hafa firenena izay tsy avy amin’ ny rahalahinao hianao.16 Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy Jehovah taminareo: Aza miverina amin’ izany làlana izany intsony.17 Ary aoka tsy hamporafy maro izy, fandrao hivily ny fony; ary aoka tsy hamory volafotsy na volamena be ho azy izy.18 Ary rehefa mipetraka eo ambonin’ ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin’ ny boky izao lalàna izao ka hataony araka ilay tehirizin’ ireo Levita mpisorona.19 Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin’ ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an’ i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin’ izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy,20 mba tsy hiavonavonan’ ny fony amin’ ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin’ ny lalàna, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, mba ho maro andro amin’ ny fanjakany eo amin’ ny Isiraely izy sy ny taranany.

Ny tsara indrindra (1)

Izay tsara indrindra no tokony hatao fanatitra. Izany dia taratr’Ilay Lahitokan’Andriamanitra nataony ho sorona hamonjy antsika ka tsy ilana sorona biby hafa intsony (I Petera 1.19). Mahagaga ankehitriny fa rehefa manao rakitra any am-piangonana na fivoriam-bavaka dia atao ambinambin-javatra izany ka lasa tsy mihevitra izay maha-zava-dehibe ny fanomezana ho an’Andriamanitra.

Tsy mitsitsy (2-7).

Henjana ny sazy mihatra voalaza eto ho an’ireo izay manao ratsy eo imason’i Jehovah (2) sy izay manompo andriamani-kafa (3). Tonga dia fitoraham-bato no famonoana izay minia manao izany (5). Mba hisian’ny lamina sy ny fahazoana antoka ny heloka natao tamin’izany dia nilaina ny vavolombelona roa na telo (6). Izany no natao dia ny tsy hisian’izay mety ho tondro-molotra na fankahalana.

Faratampony (8-13)

Anisan’ny andraikitra napetrak’i Jehovah ho an’ny Levita na izay mpitsara ny fisorohana ny fahasarotana rehefa sarotra ny mitsara ady na heloka. Napetraka izany mba hisian’ny lamina handrindrana ny fiaraha-monina. Andriamanitra rahateo no nametraka ny Levita. Raha ampitahaina amin’ny zava-misy ankehitriny dia toy ny fitsarana tampony ka tsy azo hivalozana fa tonga dia arahina sy tanterahina avy hatrany.

Fahefany (14-20)

Na dia tsy sitrak’Andriamanitra aza ny nangatahan’ny Zanak’Isiraely mpanjaka (I Samoela 8) dia nataony ihany izany rehefa hitany fa sahirana i Samoela noho ny hamafisan-katok’izy ireo. Fa napetrany tsara kosa fa Izy no manendry izany fa tsy olona (15). Ary ny fifankahazarana amin’ny Tenin’Andriamanitra no antoka hampahomby tsy hiviliana lalana (18-20).

Saintsaino:

“Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao” (Salamo 119.11)

Source: Fikambanan’ny Mpiara-mamaky ny Baiboly

 

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *