Mana voalahatra 23 Desambra 2020
MATIO 1.1-17
TSY MISY KISENDRASENDRA AO
AMIN’ANDRIAMANITRA
Ny Filazana ny razan’i Jesosy Kristy
1 Ny filazana ny razan’ i Jesosy Kristy, zanak’ i Davida zanak’ i Abrahama.2 Abrahama niteraka an’ i Isaka; ary Isaka niteraka an’ i Jakoba; ary Jakoba niteraka an’ i Joda mirahalahy avy;3 ary Joda niteraka an’ i Fareza sy Zara tamin’ i Tamara; ary Fareza niteraka an’ i Hezrona; ary Hezrona niteraka an-dRama;4 ary Rama niteraka an’ i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an’ i Nasona; ary Nasona niteraka an’ i Salmona;5 ary Salmona niteraka an’ i Boaza tamin-dRahaba; ary Boaza niteraka an’ i Obeda tamin-dRota; ary Obeda niteraka an’ i Jese;6 ary Jese niteraka an’ i Davida mpanjaka. Ary Davida niteraka an’ i Solomona tamin’ ny vadin’ i Oria;7 ary Solomona niteraka an-dRehoboama; ary Rehoboama niteraka an’ i Abia; ary Abia niteraka an’ i Asa;8 ary Asa niteraka an’ i Josafata; ary Josafata niteraka an’ i Jorama; ary Jorama niteraka an’ i Ozia;9 ary Ozia niteraka an’ i Jotama; ary Jotama niteraka an’ i Ahaza; ary Ahaza niteraka an’ i Hezekia;10 ary Hezekia niteraka an’ i Manase; ary Manase niteraka an’ i Amona; ary Amona niteraka an’ i Josia;11 ary Josia niteraka an’ i Jekonia mirahalahy avy, tamin’ ny nifindrana tany Babylona.12 Ary taorian’ ny nifindrana tany Babylona Jekonia dia niteraka an’ i Sealtiela; ary Sealtiela niteraka an’ i Zerobabela;13 ary Zerobabela niteraka an’ i Abihoda; ary Abihoda niteraka an’ i Eliakima; ary Eliakima niteraka an’ i Azora;14 ary Azora niteraka an’ i Zadoka; ary Zadoka niteraka an’ i Akima; ary Akima niteraka an’ i Elihoda;15 ary Elihoda niteraka an’ i Eleazara; ary Eleazara niteraka an’ i Matana; ary Matana niteraka an’ i Jakoba;16 ary Jakoba niteraka an’ i Josefa, vadin’ i Maria; ary Maria niteraka an’ i Jesosy, Izay atao hoe Kristy. 17 Ary ny taranaka rehetra hatramin’ i Abrahama ka hatramin’ i Davida dia taranaka efatra ambin’ ny folo; ary hatramin’ i Davida ka hatramin’ ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra ambin’ ny folo; ary hatramin’ ny nifindrana tany Babylona ka hatramin’ i Kristy dia taranaka efatra ambin’ ny folo.
Maneho amintsika ny tetiarana na ny loharano nipoiran’i Jesoa eto ny fiandohan’ity filazantsara ity. Voamarina eto fa olona Jesoa ilay Andriamanitra tonga teto amin’izao tontolo izao. Ny fandaharan’ Andriamanitra ny amin’ny fahatongavan’i Jesoa dia efa voalamina hatramin’ny fiandohan’izao tontolo izao.
Abrahama ka hatramin’i Davida (2-6a).
Abrahama ilay lehilahy avy tamin’ny taranak’i Noa tamin’i Sema; izy ilay tanteraka tamin’ny fankatoavana an’ Andriamanitra. Nolazain’ Andriamanitra fa avy amin’ny taranany no hitahiana ny firenena rehetra (Genesisy 22.18). Nanomboka teo Abrahama no efa nanoman’ny Tompo ny planim-pamonjena dia ny amin’ny hahatongavan’i Jesoa Kristy ilay Andriamanitra tonga olona ho fitahiana ho an’ny firenena rehetra.
Davida hatramin’ny fahababoana (6b-11).
Davida no ilay mpanjaka voalaza fa araka ny fon’ Andriamanitra, feno fankatoavana an’Ilay mifehy ny zavatra rehetra. Ao amin’ny filazantsara dia mazana dia nantsoin’ireo olona sasantsasany hoe «zanak’i Davida» i Jesoa (Matio 9.27b); Matetika ireo olona nitady famonjena sy fanasitranana tamin’i Jesoa dia niantso Azy hoe zanak’i Davida. Tsy hoe zavatra mba nifanandrify fotsiny izany fiantsoana an’i Jesoa izany fa efa Andriamanitra nanomana fa avy amin’ny taranak’i Davida Ilay tonga ho mpamonjy izay tontolo izao.
Tao aorian’ny fahababoana hatramin’ny Josefa (12-17).
Na dia tao aorian’ny fahababoana tany babylona aza ny taranak’Israely dia tsy tapitra hatreo akory ny fiainan’izy ireo; fa satria Andriamanitra efa nanao ny drafi-pamonjena dia tonga taty amin’ i Josefa ireo taranaka nifandimby ireo. Josefa no ilay efa nosafidin’ Andriamanitra ho rain’ i Jesoa ara -nofo hahatanteraka ny fanavotana ny olon-drehetra.
Fahamarinana :
Ny teny rehetra izay naminany mikasika an’i Jesoa Kristy ao amin’ny testamenta taloha dia efa nanomana antsika ny amin’ i Jesoa ilay Mesia ho famonjena ny nofo rehetra.
Source: Fikambanan’ny Mpiara-mamaky ny Baiboly