Mana voalahatra 21 Mey 2021
HEBREO 10.32-39
KRISTIANA MIORINA TSARA
Mampiseho vanim-potoana telo mazava tsara ny mpanoratra eto: ny andro fahiny fony vao nandray ny fahazavan’Andriamanitra, ny fotoana anoratana (ny ankehitriny), ny ho avy.
Tsarovy ny andro fahiny (32-34).
Rehefa nandray ny fahazavana dia niharitra ady, fanenjehana, fandrobana, fampahoriana isan-karazany, niaraka tamin’ireo namana sy mpifatotra hafa, nefa nitoetra tao anatin’ny fifaliana sy ny fanantenana ny tsara lavitra sy maharitra.
Fandresena! Mandalo ady sy fahoriana isan-karazany koa isika kristianina. Izy ireny dia mahasoa ho famolavolana ny toe-pontsika hiaina tsaratsara kokoa ny fanatrehan’Andriamanitra sy ny fitomboan’ny finoana (Romana 5.3-5), ary ny fifampaherezan’ny mpiara-miangona (Asan’ny Apostoly 2.42). Paoly efa nilaza : « Fa ianareo efa nomena noho ny an’i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy » (Filipiana 1.29).
Sahia ankehitriny – aza miala (35-36).
Sahy miaina ny sitrapon’Andriamanitra na dia ao anatin’ny ady mafy aza, miandry valiny lehibe. Jesoa ao anatinao no efa nilaza hoe « Ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako…. Amin’ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo » (Lioka 21.17,19). Ny fiharetana sy ny fankatoavana no antoky ny fahatanterahan’ny teny fikasana aminao (36).
Ny ho avy – mandrosoa hatrany (37-39).
Safidy roa mazava ny amin’ny fiainana kristianina no eto, handroso sa hihemotra? Isika mandroso no sitrak’Andriamanitra satria samy “tiany ho tonga amin’ny fibebahana ny rehetra.” (2 Petera 4.9b). Mbola hiverina Jesoa (37, Jaona 14.3, Asan’ny Apostoly 1.11b). Ny finoana izany no hery mamporisika antsika handroso hatramin’ny farany ho amin’ny famonjena (39b).
Vavaka: “Ray ô! mifikitra Aminao ny fanahiko.” (Salamo 63.8a)