Mana voalahatra 21 Desambra 2020 Ny teo aloha Mana voalahatra 22... Ny tao aoriana Mana voalahatra 19...

Mana voalahatra 21 Desambra 2020

GALATIANA 5.13-26

NY NOFO MANOHITRA NY FANAHY

13 Fa efa nantsoina ho amin’ ny fahafahana hianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin’ ny fitiavana.14 Fa tanteraka amin’ ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.15 Fa raha mifandramatra sy mifampihinana hianareo, tandremo fandrao mifandringana.16 Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ ny nofo hianareo.17 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo.18 Fa raha tarihin’ ny Fanahy hianareo, dia tsy mba ambanin’ ny lalàna.19 Fa miharihary ny asan’ ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’ Andriamanitra.22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.24 Fa izay an’ i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ ny faniriany sy ny filàny tamin’ ny hazo fijaliana.25 Raha velon’ ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.26 Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.

Fanararaotana (13-15).

Nisafidy ny hiaina ao ambanin’ny fahasoavana isika, novonjen’i Kristy ho amin’ny fahafahana! Haleloia! Tandremo anefa ny fampiasana tsy am-piheverana ny fahafahana ka mety hihevitra hoe: “afaka manao izay tiako aho satria tsy teren’ny lalàna fa ao ambanin’ny fahasoavana ary handeha amin’izay irin’ny foko aho!”. Ny vahaolana ve? “Mifanompoa amin’ny fitiavana” (13). Ny tena fahafahana dia ny mitia an’Andriamanitra sy ny hafa, ny fanekena koa fa tsy voatery ho tia ahy daholo ny hafa!

Ny nofo manohitra ny Fanahy (16-18).

Raha mbola eto an-tany isika dia hifandimby ny fandehanana amin’ny nofo sy ny fanahy. Fa ny torohevitr’i Paoly dia ny hitanilàn’ny mizana any amin’ny Fanahy. Aleo tarihin’ny Fanahy amin’izay rehetra atao amin’ny andavanandro na dia izay eritreretina ho bitika indrindra aza. Izay no fomba tsara indrindra hisorohana ny otrik’aretina dia ny filan’ny nofo! Tsy vita indray mandeha anefa izany, fa miandalana mandra-pahatongantsika any amin’ilay fiainana tsy misy ota.

Vokatry ny nofo (19-21).

Izay afafy ihany no ho jinjaina, mazava ny lisitr’ireo vokatry ny fandehanana amin’ny nofo. Singanina manokana ohatra ny filalaovan-dratsy (21), na koa ny fankafizana hanim-py diso tafahoatra. Mazàna tsy dia eritreretina loatra hoe mety hanimba be ny fahasalamana io asan’ny nofo iray io fa ny tena loza dia mety tsy handovàna ny fanjakan’ny lanitra. Andao hizatra hihinana sakafo ara- pahasalamana!

Vokatry ny fanahy (22-26).

Iza re no afaka hampihatra ireo vokatry ny fanahy sivy ireo? Tsy vitan’ny mpanaraka lalàna sy fombafomba, tsy vokatry ny ezaka ara-tsaina na ara-moraly. Fa fanomezan’ny Fanahy ho an’ireo izay manaiky hitoerany maimaimpoana, amin’ny finoana irery ihany.

Vokatry ny Fanahy iray anio “Am-pitiavana be o!”

Source: Fikambanan’ny Mpiara-mamaky ny Baiboly