Mana voalahatra 07 Mey 2021 Ny teo aloha Mana voalahatra 20 Mey 2021 Ny tao aoriana Mana voalahatra 06 Mey 2021

Mana voalahatra 07 Mey 2021

1 TANTARA 16.1-22


“HITORY NY ANARANAO AMIN’NY RAHALAHIKO AHO; EO AMIN’NY FIANGONANA NO HIDERAKO ANAO”

Fisalorana. Tao amin’i Davida ny asan’ny levita (1 ; Nomery 1.53), ny mpisorona (2), izy rahateo efa mpanjaka be fiantrana (3). Mampatsiahy ny mpanjaka Melkizedeka ary indrindra i Kristy, Ilay Mpanjaka sy Mpisorona lehibe mitoetra mandrakizay (Genesisy 14.18-19; Hebreo 7.1-3).
Tody soa teo amin’ny toerana nofidian’i Jehovah ny fiara (2 Tantara 6.6). Eo anivon’ny vahoaka ny fiaran’ny fanekena. Hiravoravo, hanolotra fanompoam-pivavahana, hisaotra ary hidera an’i Jehovah Andriamanitra izy ireo (4-5).
Hafatra mafonja sy feno. Izay niainany sy fantany noho ny famindrampon’Andriamanitra no nambaran’i Davida tamin’ny vahoaka. Manaporofo izany ireo Salamo maro nosoratany. Miantefa amintsika kristiana amin’izao vaninandron’ny fahasoavana izao koa ny hafatra: Hanandratra fiderana sy hanome voninahitra izay natokana ho Azy irery ihany (9; Jakoba 5:13). Hilaza am-pifaliana ireo fitahiany rehetra (11-12, 21-22).
« Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay. » (Salamo 111:3)
Tao am-pony koa ny fikatsahana izay hahasoa ny vahoaka, tsapany fa ny hitoeran’izy ireo eo anatrehan’Andriamanitra no fanalahidy (Salamo 73:28).
Andriamanitra mahatoky (15-18). Nampahatsiahy ary nanafatra i Davida fa taranaka voafidy ny zanak’Israely. Mandova ny Teny Fikasana (13-18). Mahatoky amin’izay teny naloaky ny vavany Andriamanitra ary mahatanteraka izay nampanantenainy (Lioka 1.37; Hebreo 6.17). Raha nandalo sedra mafy sy maro isika tahaka izay nanjo ireo zanak’Israely dia fialofana sy fiarovana hatrany Andriamanitra (19- 22).
Fanasana. Mpahary (Romana 1.20) sy Mpamonjy (1 Timoty 2.4-6), ao aminy ny fitiavana sy ny famindrampo, mpihaino sy mpamaly vavaka ny Andriamanitsika, aoka ho fifaliantsika ny hiantso ny anarany. Manatona Azy amin’ny fo feno fanatren-tena, mitady Azy amin’ny “maha-Ray” (Matio 6.32). Mahatanteraka ny Teniny Izy ary miahy ireo voafidiny.