Mana voalahatra 04 Janoary 2021
MATIO 5.1-12
FAHASAMBARANA
Ny toriteny nataon’ i Jesosy Kristy teo an-tendrombohitra
1 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany.2 Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:3 Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra.4 Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina.5 Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.6 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.7 Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.8 Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an’ Andriamanitra,9 Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak’ Andriamanitra.10 Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra.11 Sambatra hianareo, raha haratsin’ ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.12 Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.
Mianatra
Betsaka ny vahoaka tonga nanatona an’i Jesoa. Samy manana ny mahamaika azy izy ireo, ao ny te ho sitrana, te hahazo sakafo, ao ny liana te hahita an’i Jesoa fotsiny, sns …. Hita eto anefa fa tsy ny filan’ny olona no nahamaika an’i Jesoa fa izay nanery ny fony: hampianatra azy ireo ny momba ny fanjakan’ny lanitra (Matio 6.33)
Izay te hanaraka an’i Jesoa dia tsy maintsy mianatra Aminy.
Izao tontolo izao
Ny fahasambarana araka ny soatoavin’izao tontolo izao dia miankina amin’izay ananan’ny olona : vola, fiara hiaka farany, finday raitra, trano be, voninahitra, mari-pahaizana ambony. Tandremo ! Ny fikatsahana tafahoatra ireo anefa dia miteraka fitsiriritana, fialonana, fifamonoana, halatra, tsy fahafaham-po sy fahabangana ao anatin’ny olona ka tonga mampahory azy.
Fanjakan’ny lanitra
Ny fahasambarana araka ny soatoavin’ny fanjakan’ny lanitra kosa dia miankina amin’izay ao anatin’ny olona sy ny valisoa izay ho azony noho ny fijoroany ho mahatoky. Iza no sambatra ? Izay mahantra (mahatsiaro fa mpanota), ory (noho izay tsy maintsy hiaretany), malemy fanahy, maniry lalina ny tenin’ny fahamarinana ny any anatiny, miantra (mamela heloka), madio am-po, mpampihavana, izay henjehina sy haratsiana noho ny fanaovany ny tsara. Ny valisoa ho azony ? Ny fanjakan’ny lanitra(3), fifaliana(4), lova avy amin’ny Ray(5) (mpiray tampo ao amin’ny Tompo, Fanahy Masina, Fahefana, Fanomezam-pahasoavana …), Fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra hisitrahana famelan-keloka sy fahafenoan’ny Tenin’Andriamanitra (6,7,8). Katsaho fa tena HARENA be !
Vavaka :
Tompo o ! amin’izao fiandohan’ny taona izao ampio izahay hahay hanao safidy tsara izay soatoavina hohajainay sy hitarihanay ny ankohonanay.
Source: Fikambanan’ny Mpiara-mamaky ny Baiboly