Mana voalahatra 02 Novambra 2020
JEREMIA 50.18-32
HO LEVONA IZAY MILA ADY AMIN’I JEHOVAH
18 Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hovaliko ny mpanjakan’ i Babylona sy ny taniny toy ny efa namaliako ny mpanjakan’ i Asyria.19 Ary hampodiko ho any amin’ ny saha fiandrasana azy indray ny Isiraely, ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; Ary any an-tany havoan’ i Daima sy Gileada no hahavoky azy.20 Amin’ izany andro izany sy amin’ izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia hotadiavina izay heloky ny Isiraely, fa tsy hisy; Ary izay fahotan’ ny Joda, fa tsy ho hita; Satria havelako ny helok’ izay sisa narovako.
21 Iakaro Ibefikomiana sy ny mponina ao Arapamaliana; Ravao sy aringano manarakaraka azy, hoy Jehovah, ary manaova araka izay rehetra nandidiako anao.22 Misy tabataban’ ady amin’ ny tany sy fandringanana be.23 Indrisy! tapaka sy torotoro ilay fampohazan’ ny tany rehetra; Indrisy! Babylona efa tonga figagana any amin’ ny firenena.24 Nofandrihako hianao, ry Babylona, ka voa, nefa tsy fantatrao akory; Hita ka voasambotra koa hianao, Satria nila ady tamin’ i Jehovah.25 Novohan’ i Jehovah ny firaketany. Ka navoakany ny fitaovan’ ny fahatezerany; Fa misy hataon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana.26 Avia avokoa hianareo rehetra hamely azy; Vohay ny trano fitoeran-kanina, atobitobio toy ny antontan-bary, ka levony avokoa izay ao; Fa aza avela hisy sisa ho azy.27 Vonoy ireo ombilahy rehetra, ary aoka hidina ho any amin’ ny famonoana izy. Mahita loza izy, fa tonga ny androny, dia ny fotoana hamaliana azy.28 Injany! misy feon’ izay mandositra sy izay afaka avy any amin’ ny tany Babylona, hanambara ny famalian’ i Jehovah Andriamanitsika ao Ziona, dia ny famaliana noho ny tempoliny.
29 Antsoy ny mpandefa zana-tsipìka hamely an’ i Babylona. Dia ny mpanenjana tsipìka rehetra; Mitobia manodidina hamely azy; Aoka tsy hisy ho afaka izy; Valio araka ny asany izy, eny, araka ny asa rehetra nataony, no mba ataovy aminy kosa; Fa niavonavona tamin’ i Jehovah izy, dia tamin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely.30 Koa hiampatrampatra eny ankalalahana ny zatovony, ary ho ringana ny miaramilany rehetra amin’ izany andro izany, hoy Jehovah.31 Indro, hiatrika aminao Aho, ry Ifiavonavonana, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; Fa tonga ny andronao, dia ny fotoana hamaliako anao.32 Ho tafintohina Ifiavonavonana, dia ho lavo, ka tsy hisy hanarina azy; Ary handrehitra afo ao an-tanànany Aho, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.
Ny famalian’Andriamanitra.
Nanjakazaka sy nanao izay tiany atao rehetra tamin’ny vahoakan’Andriamanitra i Babylona sy ny mpanjakany noho ny fiheverany fa mahery indrindra tety ambonin’ny tany izy. Na dia fiasàna teo am- pelatànan’Andriamanitra aza ny Babyloniana kanefa nanota nivadika Taminy dia mazava ny Tenin’Andriamanitra ”indro hovaliako ny mpanjakan’i Babylona sy ny taniny…”(18). Ilay mpanorotoro ny tany rehetra dia ho torotoroina kosa izao (23). Marina Izy fa valiany araka ny asa nataony ny olona (29). Izay miady amin’ny vahoakan’Andriamanitra sy ny olon’Andriamanitra dia miady Aminy (31- 32). Ankehitriny, eritrereto hatrany ny safidinao sy izay hiainanao fa Mpamaly ny natao Izy : ”Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao o, Andriamanitra Mpamaly ny natao o, mamirapirata.” (Salamo 94.1).
Manafaka Andriamanitra.
Manafaka ny vahoaka nofidiany Andriamanitra (19) ; mamaly sy mandevona ny mpanohitra Azy kosa (29-30). Manao ahoana ny hasarobidin’izany hoe nampodiana sy tafaverina an-tanindrazana rehefa avy nobaboina ka hiaina sy hiverina finaritra indray ! Afaka tamin’ny fatoran’ny fangejana satria navotan’Andriamanitra. Mbola tsara lavitra noho izany ny afaka tamin’ny fangejan’ny ota satria nafahan’Ilay Zanak’Andriamanitra dia Jesoa Kristy “Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo.”(Jaona 8.36). Ary tena afaka amin’ny fahotana sy ny faharatsiana rehetra ; voadio tanteraka. Aoka izay ny fanoherana an’Andriamanitra amin’ny endrika maro fa atolory Azy ny tenanao dia hitondra fanafahana ho anao Izy. Andramo ange fa ho tsapanao ao am-ponao ny fiadanana vokatr’izany.
Source: Fikambanan’ny Mpiara-mamaky Baiboly