Mana isan’andro Zoma 27 Mey 2022
LIOKA 17.1-19 F. 3
MIAINA NY FINOANA
1 Ary hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan’izay olona mahatonga izany!
2 Aleo anantonana vato lehibe* fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hahatafintohina na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza.[*Na: ahodim-boriky]
3 Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony.
4 Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.
5 Ary hoy ny Apostoly tamin’ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay.
6 Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin’io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin’ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.
7 Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany, na miandry ondry, ka raha tonga avy tany an-tsaha ilay mpanompo, dia hanao aminy hoe: Avia faingana, ka mipetraha hihinana?
8 Fa tsy hilaza aminy kosa hoe va izy: Manamboara izay hisakafoako, ary misikìna, ka manompoa ahy ambara-pihinako sy hisotroako; fa rehefa vita izany, dia vao mahazo mihinana sy misotro ianao?
9 Moa misaotra izany mpanompo izany va izy, satria nataony izay nandidiany?
10 Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo ny mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.
11 Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an’i* Samaria sy Galilia.[*Na: Teny anelanelan’i]
12 Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny.
13 Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay.
14 Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana.
15 Ary ny anankiray tamin’ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery
16 sady niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny.
17 Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy?
18 Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an’Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?
19 Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.