Mana isan’andro Alatsinainy 21 Febroary 2022
LIOKA 9.43b-50 F. 6
FANETRENTENA SY FAHALEHIBIAZANA
Ny nilazan’i Jesosy fanindroany ny hahafatesany sy ny hitsanganany indray.
Fa raha talanjona izy rehetra tamin’izay rehetra nataon’i Jesosy, dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
44 Ampidironareo ao amin’ny sofinareo izany teny izany; fa ny Zanak’olona efa hatolotra eo an-tànan’ny olona.
45 Nefa tsy azon’ny mpianatra io teny io sady nafenina azy izany mba tsy ho fantany; ary natahotra hanontany Azy ny amin’io teny io izy.
46 Dia nisy fisainana niseho tao am-pony ny amin’izay ho lehibe ao aminy.
47 Ary Jesosy nahalala ny fisainan’ny fony, dia nandray zaza anankiray ka nametraka azy teo anoloany;
48 ary hoy Izy tamin’ireo: Na zovy na zovy no mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra ao aminareo rehetra, dia izy no lehibe.
49 Ary Jaona namaly ka nanao hoe: Tompoko, izahay nahita anankiray namoaka demonia tamin’ny anaranao, ka noraranay izy, satria tsy manaraka antsika.
50 Fa hoy Jesosy taminy: Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.
Miverina amin’ny tena zavatra (43b-45).
Nampidinin’i Jesoa avy amin’ny rahon’ny fibanjinana ny voninahiny ny mpianatra ka nambarany indray ny anton’ny nahatongavany teto an-tany (44). Indrisy anefa fa mbola tsy nahatakatra izany ny mpianatra satria izay nibahana teo imasony dia ny hery sy ny fahefan’i Jesoa, koa tsy ninoany ny hanolorana Azy eo an-tanan’ny olona. Io zava-miafina, izay “nafenina azy” (45) fotoana voafetra io dia hambara aminy kosa aorian’ny fitsanganan’ny Tompo amin’ny maty (Lioka 24.26-27, 44-45). Ho antsika kosa, tandremo sao variana mijery ny hery sy ny fahefan’ny Tompo fotsiny, nefa tsy mandray sy misitraka ny asam-pamonjena nataony mba hananantsika ny fiainana mandrakizay !
Zaza no ohatra alaina tahaka (46-48).
Indro fa teraka ny fanirina te-ho lehibe teo anivon’ny mpianatra ary nitady izy ireo hoe “iza no lehibe eo aminy” (46). Nitady izay hisolo ny Mpampianatra azy ve izy ireo satria Jesoa nanambara fa hatolotra eo an-tanan’ny olona Izy ? Ny ohatry ny zaza, amin’ny fanetren-tenany sy ny fiankinany tsy misy ahiahy amin’ny lehibe, no natolotr’i Jesoa, mba hahafantaran’izy ireo fa ny lehibe dia izay mandray ny madinika sy ny malemy noho ny fitiavana sy fankatoavana Azy !
Tandremo ny fanilihana sy fanavakavahana ! (49-50).
Tsy ho an’olona voatokana ihany ny fanompoana ny Tompo fa nantsoina hanompo isika rehetra, na toerana aiza, na vanim-potoana inona, na manoloana kolontsaina manao ahoana, na inona fahaiza-manao na fanomezam-pahasoavan’ny tsirairay… Ny fametrahana ny fahasamihafana ho sakana ho an’ny firaisana dia tsy avy amin’ny Tompo !
Hoeritreretina : Ny handrefesana ny fahalehibiazan’ny olona iray dia ny fanetren-tenany.