Mana isan’andro 27 Novambra 2021 Ny teo aloha Mana isan'andro 28... Ny tao aoriana Mana isan'andro 26...

Mana isan’andro 27 Novambra 2021

NEHEMIA 8.1-15 F.2,6

FANAMBARANA AMPAHIBEMASO NY LALANA

1 Ary rehefa tonga ny volana fahafito, dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak’Isiraely. Dia nivory tahaka ny olona iray izy rehetra ho eo an-kalalahana teo anoloan’ny vavahadin-drano; ary niteny tamin’i Ezra mpanora-dalàna izy mba ho entiny ny bokin’ny lalan’i Mosesy izay nandidian’i Jehovah ny Isiraely.

2 Dia nentin’i Ezra mpisorona ny lalàna tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahafito ho eo anatrehan’ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin’izay rehetra efa mahahaino.

3 Dia novakina teo an-kalalahana teo anoloan’ny vavahadin-drano izy hatramin’ny vao maraina koa ka ambara-pitataovovonan’ny andro, dia teo anatrehan’ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’izay efa mahahaino; ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin’ny lalàna.

4 Ary Ezra mpanora-dalàna nitsangana teo ambonin’ny lampihazo fitoriana, izay efa natao ho fitoriana izany; ary Matitia sy Sema sy Anaia sy Oria sy Hilkia ary Mahaseia no nitsangana teo anilany ankavanana; ary Pedaia sy Misaela sy Malkia sy Hasoma sy Hasbadana sy Zakaria ary Mesolama no teo anilany ankavia kosa.

5 Dia nosokafan’i Ezra teo imason’ny olona rehetra ny boky (fa ambony toerana noho ny olona rehetra izy); ary rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny olona rehetra.

6 Ary Ezra nisaotra an’i Jehovah, Andriamanitra lehibe; ary ny olona rehetra nanandra-tanana ka namaly hoe: Amena, Amena; dia niondrika izy sady niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Jehovah.

7 Ary Jesoa sy Bany sy Serebia sy Jamina sy Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy Jozabada sy Hanana sy Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo amin’izay nitoerany ihany.

8 Dia novakiny mazava ny teny tao amin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon’ny olona tsara ny teny novakina.

9 Ary Nehemia governora sy Ezra mpisorona, mpanora-dalàna, ary ny Levita izay nampianatra ny olona dia nanao tamin’ny olona rehetra hoe: Masina ho an’i Jehovah Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha nandre ny tenin’ny lalàna.

10 Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masina ho an’ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.

11 Ary ny Levita nampangina ny olona rehetra ka nanao hoe: Mangina ianareo, fa masina ity andro ity; koa aza malahelo ianareo.

12 Dia nandeha ny olona rehetra hihinana sy hisotro sy hanatitra anjara ho an’ny sasany ary hifaly indrindra, satria azony tsara ny teny izay notorina taminy.

13 Ary nony ampitson’iny dia vory teo amin’i Ezra mpanora-dalàna ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny olona rehetra sy ny mpisorona ary ny Levita mba handinika ny tenin’ny lalàna.

14 Dia hitany voasoratra teo amin’ny lalàna, izay nampandidian’i Jehovah an’i Mosesy, fa tokony hitoetra ao amin’ny trano rantsan-kazo ny Zanak’Isiraely amin’ny andro firavoravoana amin’ny volana fahafito,

15 ary tokony hampandre ny olona sy handefa teny mitety ny tanànany rehetra sy Jerosalema ka hanao hoe: Mandehana any an-tendrombohitra, ka makà sampan’oliva sy sampan’oliva maniry ho azy sy sampan-drotra sy sampan-drofia ary sampan-kazo be ravina hanaovana trano rantsan-kazo araka, ny voasoratra.

Eo am-pihainoana ny Tenin’Andriamanitra.
Marihina fa ny vahoaka mihitsy eto no nanainga an’i Ezra hamaky ny bokin’ny lalàn’i Mosesy (1,2). Lava tokoa ny fotoana namakiana izany (3a) nefa tsy nahatsikaritra fahalainana na fahasorenana teo amin’izy ireo fa tena liana tokoa ireto vahoaka (3b). Mila mifantoka tokoa manko mba ahazoana mandray sy mankatoa ny Tenin’Andriamanitra.
Marina aminao koa ve izany ? Rehefa nisaotra an’Andriamanitra Ezra dia niray hina ny rehetra nanandratra ny « Amena » hanehoany ny fankasitrahany. Ny firaisan’ny fiangonana tokoa manko dia hery manentana ny fiombonan’ny kristiana. Voakasika ny fo amam-panahin’ireto vahoaka hany ka rehefa nohazavaina ny lalàna (7,8) dia feno alahelo sy tomany (9). Manoloana izany anefa dia manainga ny vahoaka Ezra sy Nehemia hankalaza an’Andriamanitra am-pifaliana satria izany no hananany hery sy tanjaka hanompoana Azy(10). Andeha tokoa hanompo an’Andriamanitra an-kafaliana isika !
Fiverenana amin’ny Tenin’Andriamanitra.
Rehefa nohazavaina ny bokin’ny lalàna dia niroso tamin’ny fitandremana ny andro firavoravoana ny mpihaino dia ny fetin’ny Tabernakely araka izay efa fanao teo aloha (Eksodosy 23.16 ; Levitikosy 23.39-43) ka hisaloran’ Isiraely indray ny anarana maha vahoakan’Andriamanitra azy ireo. Ny tena andrasan’Andriamanitra amintsika anie dia ny hifantohana amin’ny fandinihina ny Teniny sy ny fampiharana ny didiny mba hanehoana ny fitiavana Azy e !
Fanontaniana : Inona no fiantraikan’ny Tenin’Andriamanitra ao am-ponao ? Hita taratra eo amin’ny fiainanao andavanandro ve izany ?
Soratra Masina ho an’ny herinandro : Nehemia 8.10b