Mana isan’andro 23 Oktobra 2021 Ny teo aloha Mana isan'andro 24 Oktobra... Ny tao aoriana Mana isan'andro 22 Oktobra...

Mana isan’andro 23 Oktobra 2021

EZEKIELA 27. 1 – 17 F 1, 2

FIREHAREHANA MISERANA

Ny harena amam-boninahitra nananan’ i Tyro, sy fitomaniana noho ny manjo azy

1 Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: 2 Hianao, ry zanak’ olona, manaova hira fahalahelovana ny amin’ i Tyro, 3 ka ataovy aminy hoe: He, ry ilay monina amin’ ny vava-ranomasina, Mpandranto ho an’ ny firenena ho any ny moron-dranomasina maro samy hafa; Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: He, ry Tyro, hianao efa nanao hoe: Izaho dia tena tsara tarehy! 4 Ao amin’ ny ranomasina ny taninao, efa tanteraky ny mpandrafitra anao ny hatsaran-tarehinao. 5 Hazo kypreso avy any Senira no nanaovany ny lampihazonao; Sedera avy any Libanona no nalainy hatao andrin-tsambonao. 6 Oka avy any Basana no nanaovany ny fivoinao; hazo bokso avy any amin’ ny moron-dranomasin’ i Kitima no nataony fipetrahan’ ny mpivoinao sady nasiany parike ivory. 7 Rongony madinika samy hafa soratra avy any Egypta no natao lainao mba ho faneva ho anao; Lamba manga sy volomparasy avy any amin’ ny moron-dranomasin’ i Elisa no eloelonao. 8 Ny mponina any Sidona sy Arvada no mpivoinao; Ny olon-kendrinao, ry Tyro, no tao aminao, ka ireo no mpitondra sambonao. 9 Ny zokiolon’ i Gebala sy izay hendry tany no tao aminao ho mpanentsin-tsambonao; ny sambo rehetra teny amin’ ny ranomasina mbamin’ ny matilony dia tonga tao aminao hanakalo ny rantonao. 10 Ny avy any Persia sy ny Lydiana ary ny Libyana dia isan’ ny miaramila mpiadinao; Nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao. 11 Ny terak’ i Arvada sy ny miaramilanao no teny ambonin’ ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no tao amin’ ny tilikambonao; Ny ampingany dia nahantony teny amin’ ny mandanao manodidina; Ireo no nahatanteraka ny hatsaran-tarehinao. 12 Tarsisy no mpandranto nankany aminao noho ny haben’ ny harena samy hafa rehetra; Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka na nentiny natakalo ny entanao. 13 Javana sy Tobala ary Maseka no mpandranto nankany aminao, ka olona sy fanaka varahina no natakalony ny varotrao. 14 Ny terak’ i Togarma nitondra soavaly sy soavaly fitaingina ary ampondra natakalo ny entanao. 15 Ny terak’ i Dedana no mpandranto nankany aminao; Ny avy amin’ ny moron-dranomasina maro no tonga hivarotra tao aminao ka nitondra ivory sy hazomainty natakalo ny entanao. 16 Syria no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan’ ny tao-zavatrao, ka karbonkolo sy lamba volomparasy sy tenona samy hafa soratra sy rongony fotsy madinika sy voahangy ary robina No nentiny natakalo ny entanao. 17 Joda sy ny tanin’ ny Isiraely no mpandranto nankany aminao, ka vary tritika avy tany Minita sy zava-mamy sy tantely sy diloilo ary balsama no natakalony ny varotrao.

Nasain’i Jehovah nanao hira momba an’i Tyro i Ezekiela mpaminany.
Hira fandokafana (1-11)
Na dia hira fisaonana aza no nasain’i Jehovah Tompo natao, noho ny hatsaran-tarehin’ny tanàna (3) sy noho ny harena nananany, dia tsy maintsy nohirahirainy ihany izany fahatsarany izany, izay efa niderany tena rahateo hoe: “Izaho dia tena tsara tarehy!” (3b). Mampiaiky volana ny fitaovana nampiasaina nanorenana ilay tanàna feno avonavona: hazo, vy, varahina ary lamba samy sarobidy sy lafo vidy nafarana avy tany amin’ireo firenena manodidina avokoa (5-7). Amin’ny maha-seranan-tsambo ny tanànan’i Tyro dia tamin’ny alalan’ny sarisarin-tsambo mamirapiratra no nanehoan’ny mpaminany izany hatsaran-tarehiny izany (4). Hany ka niavonavona sy nirehareha fatratra ny mponina tao aminy. “Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana” (Ohab. 16.18)
Loharanon-kareny (12-24)
Seranan-tsambo roa lehibe i Tyro sy i Sidona. Tany aloha aza dia voalaza fa i Sidona no lehibe kokoa (Jos.11. 😎. Tonga tany avokoa ny lafy valo rehetra mba handranto harena tamin’ny alalan’ny varotra, izay loharanon-karenan’i Tyro; ny avy any Espaina na i Tarsisy (12), ny avy any Greisy na i Javana (13), ny avy any Tiorkia na Armenia, izay notondroina hoe: “ny terak’i Torgama” (14), ny avy any Arabia ary ny avy any Joda sy Israely (17). Izany no nampanan-karena an’i Tyro ka nampiavonavona azy.
Fampitandremana: “… raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo” (Sal. 62. 10). “Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, …” (1 Tim. 6. 9).

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *