OHABOLANA 31.1-9 F.2,6
VOATOLOTRA HO AN’ANDRIAMANITRA
Ny amin’ ny tokony ho toetry ny mpanjaka
1 Ny tenin’ i Lemoela mpanjaka, dia ny teny mavesa-danja izay nananaran-dreniny azy.
2 Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko?3 Aza omena ny vehivavy ny herinao, Na ny fombam-piainanao ho an’ izay manimba mpanjaka.
4 Tsy mety amin’ ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny; tsy mety amin’ ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin’ ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka;5 Fandrao, raha misotro izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana.6 Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an’ izay malahelo azon’ ny fangidiam-panahy;7 Aoka hisotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony.
8 Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan’ ny kamboty ny rariny;
9 Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
Zanaky ny voadiko (1-2).
Inoana fa reny naniry mafy te-hanan-janaka ary nivoady fa ho an’Andriamanitra izany zaza izany raha teraka no ambara eto, ary dia nahazo izy. Reny nahery nivavaka, faly mahita ny zanany nitombo ara-tsaina sy tena, ary nandroso fitia tamin’Andriamanitra. Lasa mpanjaka ny zanany, Lemoela dia midika hoe “voatolotra ho an’Andriamanitra”. Hita fa nitàna ny voady nataony izy (2).
Raha matahotra an’Andriamanitra sy tafita amin’ny fiainany ny zanaka dia satria tao ny fitiavana sy ny vavaka nataon’ny reny, sarobidy izany ! Ohatra iray i Hana, renin’i Samoela: “Ary raha mbola naharitra nivavaka izy…” (1 Samoela 1.12a).
Fampitandremana mahasoa (3-9).
– Ny voalohany dia tandremo fa misy vehivavy jejo na koa hoe adala mandavo mpanjaka na mpanompon’Andriamanitra (3). Mahay mandambolambo, saingy misy fanahy janga ao anatiny. Alaviro ireny (Ohabolana 5.7-13).
– Ny faharoa, ny olon’Andriamanitra dia nomeny fahendrena, koa tsy tokony ho fatra-paniry toaka (4). Maneho fitondran-tena mamoafady rehefa mamo. Ny fahamamoana dia anisan’ny asan’ny nofo tsy handovàna ny fanjakan’Andriamanitra (Galatiana 5.21). Tsy ny zava-pisotro rehetra no fady, fa ny fahononam-po izay vokatry ny Fanahy no miteraka fandanjalanjana sy fahendrena.
– Ny fahatelo, ny teny havoakan’ny vava : mandratra sy mampahory sa mampahery sy mamelona? Ny mpanjaka na ny manam-pahefana dia natao hiaro ny rariny (

indrindra ireo marefo (tsy afa-miteny, ny kamboty, ny ory, ny mahantra…). Ao am-pon’ny Tompo izy ireny “…fa Izaho no hamelona azy…”(Jeremia 49.11a).
Fanontaniana : Amin’ny maha-reny, manao ahoana ny fitaizako ny zanako ?
Ampiditra Hafatra