Mana isan’andro 14 Oktobra 2021 Ny teo aloha Mana isan'andro 15 Oktobra... Ny tao aoriana Mana isan'andro 13 Oktobra...

Mana isan’andro 14 Oktobra 2021

ASAN’NY APOSTOLY 13.26-41 F.1, 2

JESOA NO MPAMONJY

26 Ry rahalahy, taranak’ i Abrahama, sy izay rehetra eo aminareo matahotra an’ Andriamanitra, dia ho amintsika no nampitondrana ny tenin’ izao famonjena izao. 27 Fa izay monina any Jerosalema sy ny loholony, satria tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon’ ny mpaminany izay vakina isan-tSabata, dia nahatanteraka izany tamin’ ny nanamelohany Azy. 28 Ary na dia tsy hitany aza izay tokony hanamelohana Azy ho faty, dia nangataka tamin’ i Pilato ihany izy hamonoana Azy. 29 Ary rehefa nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin’ i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy tamin’ ny hazo ka nandevina Azy tao am-pasana. 30 Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin’ ny maty. 31 Ary Izy niseho andro maro tamin’ izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema, ka dia ireo no vavolombelony amin’ ny olona ankehitriny. 32 Ary izahay mitory ny filazantsara aminareo, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin’ ny razana, 33 dia ny nahatanterahan’ Andriamanitra izany tamin’ ny zanatsika, raha nanangana an’ i Jesosy Izy, araka ny voasoratra eo amin’ ny Salamo faharoa hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao andro-any. 34 Ary ny amin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty, ka tsy hiverina ho amin’ ny lò intsony Izy, dia izao no voalazany: Homeko anareo ny famindrampo mahatoky nampanantenaina an’ i Davida. 35 Fa hoy Izy ao amin’ ny Salamo hafa koa: Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao. 36 Fa Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry ka nangonina ho any amin’ ny razany izy ary tratry ny lò; 37 fa Izay natsangan’ Andriamanitra no tsy mba tratry ny lò. 38 Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo; 39 ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin’ ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin’ ny lalàn’ i Mosesy. 40 Koa tandremo fandrao hihatra izay voalaza eo amin’ ny mpaminany hoe: 41 Izahaonareo mpamotsifotsy, dia gagà, ka levona; Fa Izaho manao asa amin’ ny andronareo, Dia asa izay tsy hinoanareo akory, na dia hisy hilaza aminareo aza

Na dia nofofoina aza ny ainy (26-29).
Ambaran’i Paoly eto fa izay rehetra tsy nahafantatra an’i Jesoa tamin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra novakiana taminy dia nandray anjara tamin’ny fanamelohana an’i Jesoa teo amin’ny hazofijaliana (26-27); isan’izany koa i Pilato izay tsy nahita heloka tamin’i Jesoa (28-29; Lioka 23.4, Jaona 19.4) nefa nanolotra Azy hohombohina tamin’ny hazofijalina (Jaona 19.16). Fa mbola maro koa ny kristiana ankehitriny no mandeha am-pahazarana fotsiny raha mamaky sy mihaino ny Tenin’Andriamanitra ka tsy mahita na mahafantatra an’i Jesoa ao amin’izany; mbola manameloka an’i Jesoa ka miverina manombo Azy eo amin’ny hazofijaliana indray ny toy izany. Tsarovy fa ny Baiboly manontolo dia manambara an’i Jesoa Ilay nilaza hoe “Dinihinareo ny Soratra Masina satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy” (Jaona 5.39).
Satria natsangan’Andriamanitra Izy (30-41).
Hamafisin’i Paoly eto fa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty i Jesoa ary niseho nandritry ny andro maro tamin’ny vavolombelona maro Izy tamin’izany (30-31). Fa izay antony nananganan’Andriamanitra Azy tamin’ny maty dia ny: 1) hahatanteraka ny faminaniana ny Aminy (Salamo 2.7) ; 2) hahatonga Azy ho velona mandrakizay (34a, 36, 37, Salamo 16.10) ; 3) hahazoantsika famindrampo sy famelan-keloka (34b, 38-39).
Manaporofo izany koa izay voambara ao amin’ny Romana 8.34 hoe “Kristy Jesosy no efa maty sady nitsangana tamin’ny maty koa ka mitoetra eo ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika”.
Fahamarinana : Antoky ny fivavahana kristiana ny nananganan’Andriamanitra an’i Jesoa tamin’ny maty satria ny finoana izany no ahazoana famonjena. (Romana 9.10, ampitahao amin’ny Asa 13.40-41). Mino izany va ianao?

Application Mana isan’andro, azonao alaina ao @ Play Store

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *