Mana isan’andro 14 Desambra 2021 Ny teo aloha Mana isan'andro 15... Ny tao aoriana Mana isan'andro 13...

Mana isan’andro 14 Desambra 2021

EFESIANA 5.21-33 F.2, 6

FANOAVANA, FANAJANA, FITIAVANA

21 sady mifanaiky amin’ny fahatahorana an’i Kristy,

22 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.

23 Fa ny lahy no lohan’ny vavy, dia tahaka an’i Kristy koa no Lohan’ny fiangonana*; ary Izy no mpamonjy ny tena. [* Gr. eklesia]

24 Fa tahaka ny aneken’ny fiangonana* an’i Kristy no haneken’ny vavy ny lahy koa amin’ny zavatra rehetra. [* Gr. eklesia]

25 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’i Kristy ny fiangonana* ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, [* Gr. eklesia]

26 mba hahamasina azy amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fanasana amin’ny teny;

27 mba horaisiny* ho an’ny tenany izany ho fiangonana** malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. [* Gr. hatolony][** Gr. eklesia]

28 Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.

29 Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’i Kristy amin’ny fiangonana*; [ Gr. eklesia]

30 fa momba ny tenany isika.

31 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24).

32 Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin’i Kristy sy ny fiangonana* aho. [* Gr. eklesia]

33 Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja* ny lahy. *[ Gr. hatahotra]

Ireo andininy 21 sy 33 dia mametraka ny fototry ny fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy.
Fanolorana.
Miresaka fanoavana ny hafa ny fampaherezana manomboka eto. Asain’ny Teny mihevitra ny «fahatahorana an’i Kristy» ny tsirairay eo amin’ny fifandraisany (21). In-dimy ny hoe : « tahaka an’i Kristy » no miverina (22, 23, 24, 25, 29). Na ny lahy na ny vavy dia tsy afa-miala amin’izany : mijery an’i Jesoa, misaintsaina ny toetra asehon’i Jesoa amin’ireo olon-tiany ao amin’ny fiangonan’Andriamanitra.
Ny vehivavy sy ny lehilahy (22-30).
Fanoavana mifamaly no lazain’ny Teny : ny lahy ho tia, ny vavy hanaja. Ahoana no hahatonga ny vehivavy hanaiky ny fitarihan’ny lahy am-pahatsorana ? Satria ralehilahy tia azy, tahaka ny hitiavany ny tenany. Mampahatsiaro ilay hoe « Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao » (Lev 19.18*). Hamafisin’i Jakoba fa « lalàna momba ny Fanjakan’Andriamanitra » izany (Jakoba 2.8*). Fantatr’i ravehivavy fa ny soa ho azy no tadiavin-dralehilahy (27). Ho mora amin’ny lahy ny hitarika raha mahatsapa izy fa hajain’ny vavy ary apetraka amin’ny toerany.
Fehiny (31- 33).
Ny fitiavana no tena ivon’izany fifandraisana izany, na dia teny roa samihafa aza no ampiasaina : fitiavana sy fanajana. Ny fanajana tsy misy fitiavana dia tahaka ny fanolorana ny tena tsy hitondra soa ho an’ny roa tonta (1 Korintiana 13.3).
Tsarovy : Jesoa dia milaza amintsika fa raha tia Azy isika dia hitandrina ny teniny. Hanoa Azy isika satria mahatsiaro tiana sy malala.
*DIEM