Mana isan’andro 08 Desambra 2021 Ny teo aloha Mana isan'andro 09... Ny tao aoriana Mana isan'andro 07...

Mana isan’andro 08 Desambra 2021

EFESIANA 3.1-13 F.2,6

ILAY FANAMBARANA LEHIBE

1 [Ny nanendrena an’i Paoly ho Apostolin’ny jentilisa, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony ho an’ny fiangonana tao Efesosy] Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an’i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, –

2 raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,

3 fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin’ny teny fohifohy teo.

4 Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin’i Kristy,

5 izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran’ny Fanahy ankehitriny amin’ny Apostoly masina sy ny mpaminany,

6 dia ny ahatongavan’ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’i Kristy Jesosy noho ny filazantsara,

7 izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fanomezan’ny fahasoavan’Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny fiàsan’ny heriny.

8 Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin’ny jentilisa ny haren’i Kristy tsy hita lany,

9 ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao tao amin’Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra;

10 mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin’izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren’Andriamanitra amin’ny fitondrany ny fiangonana*, [* Gr. eklesia]

11 araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika,

12 Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin’ny fahatokiana noho ny finoana Azy.

13 Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin’ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany.

Eto amin’ity toko ity no ahitantsika ny anehoan’i Paoly amin’ny jentilisa ilay fanambarana lehibe noraisiny tamin’Andriamanitra, ka noraisiny ho fahasoavana lehibe. Inona ary izany ?
Fanambarana ny zava-miafina ny amin’i Kristy (1-9).
Dia ny hahatonga ny jentilisa ho mpiombona sy ho mpiara-mandova ny Teny fikasana ao amin’i Jesoa Kristy. Zava-baovao tokoa izany eo amin’ny tantara, satria i Jesoa Kristy no nanokatra ny lalana vaovao, izay hahatonga, tsy ny Jiosy izay firenena voafidy irery ihany, fa ny firenena hafa rehetra, dia ireo izay antsoina hoe Jentilisa, ho mpiara-mandova ny Teny Fikasana, hamerina indray ny taranak’olombelona ho vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra sy ety an-tany.
Fanambarana ny amin’ny Fiangonana, izay ho isan’ny vahoakan’Andriamanitra (10-13).
Nampahafantarina ny fanapahana sy ny fahefana rehetra any an-danitra fa ny fiorenan’ny Fiangonana dia zava-miafina hatrizay hatrizay, ary naseho kosa ankehitriny amin’ny alalan’ny Apostoly sy ny Mpaminany. Koa ankehitriny ary, noho ny fahendren’Andriamanitra tsy takatry ny saina, dia manjary vahoakan’Andriamanitra tahaka an’i Israely ihany koa ny Fiangonana, ary iray ny Mpanjakan’izy roroa dia i Jesoa Kristy.
Hosaintsainina : «Iza no Andriamani-dehibe tahaka an’Andriamanitra ? Ianao Andriamanitra izay manao fahagagana ; efa nampahalala ny herinao teny amin’ny firenena Ianao ». (Salamo 77.13 b, 14)