Mana isan’andro 02 Oktobra 2021 Ny teo aloha Mana isan'andro 03 Oktobra... Ny tao aoriana Mana isan'andro 01 Oktobra...

Mana isan’andro 02 Oktobra 2021

ASAN’NY APOSTOLY 9.1-9 F.1, 6

NIFANENA TAMIN’I JESOA SAOLY

Ny niovan’ i Saoly ho Kristiana

1 Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin’ ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin’ ny mpisoronabe izy 2 ka nangataka taratasy taminy ho any amin’ ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy. 3 Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin’ i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra tampoka manodidina azy; 4 dia lavo tamin’ ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy? 5 Ary hoy izy: Iza moa hianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; 6 fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao. 7 Ary ny olona izay nomba azy tamin’ ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo izy, nefa tsy nahita olona. 8 Ary Saoly nitsangana tamin’ ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy. 9 Ary tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro.

Saoly ve (1-2) ?
Tena nirehitra fatratra tokoa Saoly na Paoly (13.9) ny hanenjika ireo mpianatry ny Tompo (8.1-3) sy izay nanaraka ny fampianarany. Ny fitondrana mpifatotra ho any Jerosalema renivohitra dia midika fa tena lehibe tokoa ny heloka ka mendrika hotsaraina any amin’ny fitsarana Jiosy. Ny filazana an’i Kristy sy ny fitsanganany tamin’ny maty no tena anton’ny fanenjehana (4.1-3; 5.17-18; 6.8-8.3). Tsy tokony hahataitra antsika kristiana ny fanenjehana satria isan’ny vidin’ny fanarahana an’i Kristy izany (1 Petera 4.14). Kristy sy ny fitsanganany tamin’ny maty no ivon’ny fivavahana kristiana. Tsy zakan’ny olona izany fahamarinana izany satria mampiharihary aminy fa mpanota izy. Mbola Kristy sy ny fitsanganany tamin’ny maty ve no ivon’ny fampianarako sy torina amiko?
Nidaraboka Saoly (3-9) !
Mbola tsy tonga tany Damaskosy (250 kilometatra miala an’i Jerosalema) akory dia efa lavo tamin’ny tany Saoly sy ny fikasany.
Jesoa sy Saoly. Jesoa no nanao ny dingana voalohany (Romana 5.8; Lioka 19.10) niantso an’i Paoly tamin’ny anarany ary nampahafantatra azy fa miantraika mivantana Aminy ny atao amin’ny mpianany (4b; 5b; Matio 25.40). Nampiasa filaza mandidy Kristy nampahafantatra azy ny tokony hataony : mitsangàna, mankanesa (6). Fanontaniana miendrika fanambaràna finoana kosa no nasetrin’i Saoly : “Iza moa ianao, Tompoko?” (5a; Romana 10.13). Nohenoiny sy nankatoaviny ny teniny: “Ary Saoly nitsangana tamin’ny tany” (8a). Tsinontsinona ny fahaizana amam-pahalalana sy ny fahefana nananan’i Saoly nanoloana an’Andriamanitra sy ny heriny. Ny fahajambany hateloana dia taratry ny fahajambany ara-panahy.
Fahamarinana : Andriamanitra ihany no Tompon’ny teny farany.

Ampiditra Hafatra

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs requis sont marqués *